Mois : août 2025

Fiarahamonim-pirenen’ny Sadc : « Takianay ny fampanajana ny demokrasia »

Nifarana ny herinandro teo rehefa naharitra dimy andro ny fikaonan-dohan’ireo fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny Sadc, notanterahina tetsy Am­bodivona. Anisan’ny sosoke­vitra nivoitra tamin’izany ny tokony haha maodely an’i Ma­dagasikara eo amin’ny sehatra rehetra. « Tsy mankasi­traka ny faneriterena amin’ny fahafahana maneho hevitra izany ary mitaky fampanajana ny demokrasia », hoy ny fehin-kevitry ny fiarahamonim-pirenena […]

Fanabeazana

  Hoy ny mpandinika iray izay: voalohany ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Tsy azo ihodivirana ny maha olona. Izay mitranga sy ataon’ny tsirairay, azo lazaina fa vokatry ny fanabeazana sy izay nodiaviny. Mitaiza sy manabe avokoa izay iainana fa tsy ny any […]

Fiainam-pikambanana : Mitaky ny hitarihana ny Fitea-M ny any Amboasary

Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao […]

Miparitaka maneran-tany : Mahatonga aretina maro ho an’ny olona ny kaikitry ny moka

Anisan’ny biby ke­ly indrindra eto an-tany ny moka, nefa mitondra karazana aretina maro maneran-tany. Maha­ton­ga fahafatesana ma­ro eo amin’ny olona ihany koa izy io. Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, […]