Atao any Belo sur Mer, ny « Festival Botry Soa Fahitse », ny 21 hatramin’ny 24 aogositra. Hetsika ara-pizahantany sy ara-kolontsaina, hifantoka amin’ny sambokely botry, fampiasan’ny Vezo mpanjono. Hisy ny filaharana amin’ny lakana mampiasa voaly. Eo koa ny fifaninanana ara-kolontsaina sy hetsika ara-panatanjahantena ary fitsidihana ara-pizahantany. Nihaona tamin’ny vondrona parlemantera japoney ny […]
Mois : août 2025
Prix Castel 2025 : Fampiasana ny drônes amin’ny fambolena
Azon-dRakotozoely Andriantsitohaina ny voalohany amin’ny fifaninanana Prix Castel, avy amin’ny Tahirimbola Pierre Castel, ary karakarain’ny orinasa Star. Ny orinasa Techni-drônes Madagasikara sy ny tetikasa natsangany, misehatra amin’ny fivarotana drônes sy ireo asa mifanaraka aminy. Nohazavain-dRakotonoely Andriantsitohaina, fa tafiditra ao anatin’ny ataony ny sehatry ny famokarana, entina hanatsarana ny fambolena, toy […]
Sekoly Vatel : Nifantohana ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny
Nifanakalo hevitra tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Vatel Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny 21 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny sehatry ny fandraisam-bahiny ny […]
Tetikasa Produir : Nohadihadiana ny kalitaon’ny fotaka
Esorina ny fotaka eny amin’ny lakandrano eto Antananarivo. Tsy maintsy misy ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny singa ao aminy, mialoha ny hanatobiana azy eny Iarinarivo Ambohidratrimo. Nampahafantarina, omaly, ny valin’ny fanadihadiana mahakasika ny fizotry ny asa fanalana ny fotaka amin’ireo lakandrano eto Antananarivo, ataon’ny tetikasa Produir. Nampitahaina ny karazam-potaka eny amin’ny […]
Pancrace-“Grand Combat de défi” : Hifandona i Rado Bota sy i Solo Be
Hotontosaina anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana eo amin’ny taranja Pancrace “Grand Combat de Défi”, andiany fahadimy. Hetsika karakarain’ny “Commission malagasy de pancrace et submission”. Ady 21 no hitranga ka 10 eo amin’ny Classe “A”, 10 eo amin’ny sokajy “B” ary 1 eo amin’ny “Combat KO”. Mpikatroka 42 […]




