Mois : août 2025

Heriniaina Jean Jacques: Jamba lasa mpampiofana amin’ny tontolon’ny fananahana

Manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Herinaina Jean Jacques. Nie­zaka sy nihoatra teo amin’ny fiainana izy, nanaraka fiofanana ary lasa mpam­piofana amin’izao fotoana. Antony nandrisika azy, ta­min’izany, ny tsy fisian’ny olona ma­nana fahasembanana misehatra amin’ny tontolon’ ny fampiofanana. Misokajy ho efatra ny fahasembanana mpahazo ny olona. Eo ny sembana ara-tsaina, […]

Ambatoboeny : Rongony 24 kg saron’ny zandary

Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Mora­feno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Am­batoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpa­ma­tsy rongony ao amin’ny ta­nànan’Ambatoboeny rahateo […]

“Fête du Basket NBA” : Efa tonga eto i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles

Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ireo kalaza NBA tonga hizara traikefa eto Madagasikara, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles, niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina. Nandritra izany no na­nambarana ny anton-dia sy fandaharam-potoan’izy ireo eto Madaga­sikara, mandritra ny fandalovany. Araka izany, hatao ny sabotsy 23 aogositra […]

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny hetsika « Fijery hafa », natao hanomezana fahaiza-manao maimaimpoana azo hampiharina avy hatrany. Anisan’ny notanterahina tamin’izany ny fiofanana momba ny fanamboarana mofomamy. Tanora miisa 20 no nisitraka izany, izay nomen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hetsika iray mikendry ny hanamafisana fahaiza-manao ho […]