Mois : août 2025

Tetikasa Fly over Anosizato sy Makis: Mahatratra 83,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Badea

Mpamatsy vola goavana amin’ny fanamboaran-dalana eto amintsika ny banky Badea. Anisan’izany ny tetikasa hanamboarana ny Fly Over Anosizato sy ny Fly Over Makis. Ankoatra ny fanotronana ny Fihaonamben’ny Sadc, eto amintsika ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Ba­dea), Abdullah Almisaibeeh. Miisa efatra ny tetikasa goavana vatsiany ara-bola. Voakasik’izany ny […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray hita faty tao amin’ny tetezana Amboasary, fokontany Tsinjony, kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, omaly. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Noraisin’ny tomponandraikitra an-tanana ny fikarakarana ny razana. Nitondra ny teny fankasitrahana ny ekipan’ny polisim-pirenena noho ny fahatanterahan’ny fivoariamben’ny Sadc tamim-pilaminana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur général de police, […]

Fakana an-keriny zaza varira : Olona valo naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana am­bony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]

Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay

Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]

Efa-dahy voasambotra: Vehivavy voaolana sady voadaroka

Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampa­tsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra […]