Fokontany Taranta-Boeny : Nizarana fampitaovana ny mpanjono

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fizarana fitaovam-panjonoana ho an’ireo mpanjono ao amin’ny fokontany Taranta, kaominina Soalala, faritra Boeny. Hetsika izay notarihin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Paubert, tany an-toerana. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny velontenan’ireo mpanjono sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’ireo fitaovana nozaraina tamin’izy ireo ny salotra vonjy aina miisa 110, ny « kit de palangre » 30, filet multi-filaments (kits) 95, sac de plonger 40, ary fitaovana maro hafa manampy amin’ny fanatanterahana ny asa. Nohamafisin’ny minisitry ny Jono nandritra ny lanonana fa ilaina ny fananana ny karatra maha mpanjono izay manokatra fahafahana maro. Amin’izany dia afaka misitraka ireo tombontsoa omen’ny ministera izy ireo, sady mora arahina sy voarindra tsara ihany koa ny asa ataon’izy ireo. Tsy vitan’izany fa nasehony ihany koa ny maha zava-dehibe ny fidirana ao anatin’ny fikambanan’ny mpanjono. Araka ny fanazavany, manampy betsaka amin’ny fandrindrana sy fitantanana ny jono eo an-toerana izany, sady manamora ny fifandraisana amin’ny manam-pahefana sy ny fikambanana hafa mpiara-miombon’antoka. Amin’izao ezaka izao, antenaina fa hahazo aina kokoa ny asa fiveloman’ireo mpanjono eo amin’ny fokontany Taranta, ary hahazo antoka amin’ny lafiny ara-piarovana sy fitaovana izy ireo, mba hahafahana mitondra vokatra tsara sy maharitra ho an’ny fiarahamonina manontolo.

Fitia Randria

Partager sur: