fiompiana lalitra: Olona miisa 14 nisitraka fampiofanana

Tontosa tao amin’ny Lycée teknika an’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny 30 aogositra 2025 lasa teo, ny fiofanana momba ny fiompiana lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly (BSF) ». Mpandray anjara miisa 14 no nisitraka izany tao an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB).
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanampiana ireo mpiompy amin’ny famokarana sakafon-trondro sy ny akoho amam-borona amin’ny alalan’ny olitra vokarina avy amin’ny fiompiana BSF.
Raha ny fanazavana azo, paikady mora atao ity fiompiana lalitra ity. Satria hita eo an-toerana avokoa ny akora ilaina, toy ny fako an-tokantrano sy ny voankazo lo, izay azo avadika ho sakafo fototra ho an’ireo lalitra. Naneho fahavononana ireo mpiofana taorian’izay, ary resy lahatra fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana ity fomba fiompiana vaovao ity.
Ankoatra izany, antenaina hampiroborobo ny famoronana asa ho an’ny tanora ao amin’ny faritra Anôsy ihany koa ny hetsika. Tsara ny mampahafantatra fa miara-miasa amin’ny fikambanana Tanamaitso, amin’ity fomba famokarana hafa kely ity, ny Fanasagr sy ny Sekoly fampiofanana arakasa ary ny Talen’ny jono sy ny toekarena manga ao amin’ny faritra Anôsy.

Fitia Randria

Partager sur: