Lalana RN12A: Hatsangana ny tetezana vaovao mirefy 400 metatra

Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena 12A, mampitohy an’i Vangaindrano sy i Taolagnaro. Anisan’ny asa goavana atao ny fananganana tetezana mirefy 400 metatra any Masianaka.

Mandroso araka ny to­kony ho izy ny asa fanamboarana, hatao godirao, ny lalam-pirenena RN12A. Tafiditra amin’izao fotoana izao ny fanarenana ny ampahan-dalana mirefy 32 km. Manomboka eo Ma­sianaka (PK 200+800) hatrany Vangaindrano (PK 232). Anisan’ny asa lehibe atao ny fananganana tetezana mirefy maherin’ny 400 metatra, izay hatao « béton » tanteraka sy ny fananganana tetezana madinika (dalots) marobe. Ifantohana, ankehitriny, ny asa fanamboarana fototra fandravonana ny lalana (terrassement). Mandeha ny fametrahana tetezana vy vonjimaika, mirefy 210 metatra eo amin’ny reniranon’i Masianaka, izany hoe, efa vita ny 50%. Eo koa ny fanorenana ny asa mahazatra, toy ny fametrahana ny tetezan-kely (dalots) sy ny rafitra hafa.
Manatanteraka ny asa ny orinasa Consortium Wietc SDLQ. Miandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa kosa ny vondrona orinasa Luxconsult, ny Setec Inter­na­tional sy ny Setec Madaga­sikara. Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso sy manampy amin’ny fampandehanana ny asa ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy Atsimo Atsinanana.

Mizara efatra ny asa

Mamatsy vola ny fanamboarana ny RN12A, mampitohy an’i Vangaindrano sy i Taolagnaro, ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Vondrona eoropeana (UE). Mizara efatra ny asa atao. Ampahany voalohany ny eo Ebakika hatrany Somisika mirefy 45 km. Ampahan-dalana faharoa ny Ebakika sy Somisika, mirefy 120 km, ka ao anatiny ny fanoloana ny baka fiampitana miisa 7. Efa nanomboka tamin’ny volana marsa 2025 ny asa. Fahatelo, ny lalana eo Somisika hatrany Masianaka, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, efa andalam-pahavitana. Ary fahefatra farany, ny ampahan-dalana Taolag­na­ro hatrany Ebakika, mirefy 45 km, efa andalam-pahavitana ihany koa. Mamatsy vola azy ny Bad sy ny Vondrona eoropeana. Manana anjara amin’ireo famatsiam-bola rehetra ireo ny fanjakana malagasy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: