Hafa raha samy hafa ny fihodin’ny tantaram-piainana ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknikan’ny Barean’i Madagasikara, vao nahazo ny maha tompondaka lefitr’i Afrika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, lasa mpanefoefo sy « ngahy ndriana » kely ry zalahy. Hahazo villa amin’ny tanàna raitra dia raitra, mbola nomena volabe tamin’ny baoritra nentina nody, omaly.
Mendrika azy ireo ny tolotra nomen’ny fitondram-panjakana. Voaporofo fa izay mamafy voa tsara no mioty ny soa. Tsy misy fikirizana sy herimpo raraka an-tany izany. Na inona na inona tanjona napetraka, rehefa hifotorana dia ahitam-bokany. Tena hoe tsy misy mafy tsy laitry ny zoto tokoa. Na inona na inona sedra ka misafidy ny tsy hilavo lefona, dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokatra.
Toe-tsaina mendrika ho alain’ny Malagasy tsivakivolo tahaka ny nentin’ireo tanoran’ny Barea. Tsy nihanona tamin’ny baolina fotsiny, nifono fomba fiaina lalina. Mampita hafatra sy anatra goavana ho an’ny mpiray tanindrazana. Tsy natao ho an’ny olona tsy manam-pikirizana ny fahombiazana. Zava-dehibe ny toe-tsaina tsy manaiky resy tsy miady.
Raha mandinika ny lalam-piainana manokan’ireo mpilalaon’ny Barea isika dia tonga saina amin’ny fahaizana misafidy ny zotra tiana harahina. Azo atao tsara ny manambatra ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Tokony ho azon’ny besinimaro atao fitaratra izay. Tsy terena hiditra anaty lasitra tsy maharesy lahatra ny tena ny fiainana.
Ny vola aman-karena dia tsy henjehina. Manatona ho azy io rehefa hay ny mitrandraka ny lalana ipoirany. Ny ezaky ny tena ihany no mahatafita ny tena, hoy ny Filohan’ny Repoblika. Koa mahaiza misafidy ny voa hahafy mba ho mendrika ny taom-piotazana.
r.r




