Tonga nitsidika sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny tetezana mirefy 200 metatra mahery sy ny lalana mirefy 5 km, ao Toamasina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny minisitra fa hoezahina vitaina tanteraka alohan’ny faran’ny taona ny asa rehetra amin’ity fotodrafitrasa iray any an-toerana ity. Tanjona amin’izany ny hanalana ny fitohanan’ny fiara sy hanomezana endrika tsara kokoa ny faritanin’i Toamasina. Tsy izany ihany, nanentana ny olona tonga maro tany an-toerana ihany koa izy mba tsy handoto ny eny amin’ny amoron-dranomasina, hahafahana manatsara ny toerana sy miaro ny tontolo iainana.
Araka ny fanazavana voaray, efa pitsompitsony sisa tsy vita amin’ny asa, saingy manaraka ny fenitra avokoa ny famitana ny asa ka tsy maintsy maharitra ny fotoana hanatanterahana izany. Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ny fanambin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny fanamboarana ny Arabe migodana ao Toamasina, izay mampifandray mivantana amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2).
Fitia Randria




