Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanalefahana ny mety ho voka-dratsy aterak’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Araka izany, notontosaina tao Nosy Be Hell Ville, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa nanangonana ny paikady hiatrehana izany.
Nifarana ny alahady 31 aogositra teo, tao Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, ny “Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena”. Nandritra izany lanonana famaranana izany no nanoloran’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao Avaradrano, Radafy Thierry, jiro miisa 15 izay efa nampanantenaina ho an’ny fokontany Betsizaraina.
Maro amin’ireo olona eto an-dRenivohitra no sahirana noho ny fatapahan-jiro matetika. Miantso ireo tomponandraikitra izy ireo mba hitady vahaolana haingana mahakasika izany. Misy amin’ireo mpivarotra trondro sy mpampiasa herinaratra toy ny “Cyber Café” tena sahirana vokatr’izany.




