Mitombo hatrany ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) arovana sy tantanina eto Madagasikara. Ho tratra tsy ho ela ny tanjona 2,4 tapitrisa ha natao fanamby tany Sydney.
Dingana lehibe! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana ho fanitarana sy fananganana Faritra an-dranomasina (AMP) eto Madagasikara, mitotaly 1,5 tapitrisa hekitara, ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMP. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ ny tontolo iainana maneran-tany (GEF) amin’ny alalan’ny World Wildlife Fund (WWF). Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, omaly, fa tsy ho ela dia ho tratra ny tanjona araka ny fanambarana tany Sydney Aostralia, hampitomboana avo telo heny ny AMP eto amintsika. Satria, efa nisy 200 000 ha, ny AMP Sorkay any Sainte Marie, vao napetraka ny volana jona teo, ary miampy ireto 3 hafa ireto. Tanjona lehibe ny hitsinjovana ny fari-piainan’ny mponina.
Fifanarahana telo tonta, teo amin’ny tetikasa GEF6-AMP, ny Tahirimbola ho an’ny Faritra arovana eto Madagasikara (FAPBM) izay nandrindra ny antontan-taratasy, ary mitantana azy ny Wildlife Conservation Society (WCS).
Hazandrano mampinono
Miisa telo ny AMP vaovao natsangana voakasiky ny fifanarahana. Voalohany, ny AMP Atimo Vata’e, mirefy 772 199 ha, any amin’ny faritra Androy. Toerana manan-danja amin’ny fisian’ny hazandranomasina mampinono (IMMA) sady manan-danja amin’ny karazan-javamananaina (ZCB). Satria faritra fitomboan’ny taranaka trozona misy trafony. Faharoa, ny AMP Helodranon’ Antongil, mirefy 431 388 ha, any amin’ny faritra Ambatosoa, eo anelanelan’i Sava sy Analanjirofo. Manana hazandranomasina mampinono ihany koa, ahitana vatohara sy ala honko, sady fitobian’ny trozona misy vozona. Fahatelo, ny AMP Tandavandria (Corridor) Nosy Be, mirefy 329 700 ha. Faritra manan-danja ho an’ny karazan-javamananaina an-dranomasina ity toerana ity, ahitana antsantsa trozona (requins-baleines) sy feso misy vozona. Sokajin’ ny IUCN ho isan’ny Faritra manan-danja ho an’ny antsantsa (requins et raies) ihany koa.
Njaka Andriantefiarinesy




