Tetikasa ASAM: Hampiroboroboina ny famokarana anaty rano

Hiara-kiasa ny Fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Ma­tsiatra Ambony sy ny APDRA, ao anatin’ny tetikasa Asam 4F. Manatanteraka azy ny APDRA sy ny GIZ, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà ara-bola. Natao sonia ny 2 septambra teo, tany Fianarantsoa, ny fifanarahana.
Haharitra herintaona izany ary hisy ny tombana atao amin’ny fivoaran’ny fandrosoan’ny asa sy ny fanatanterahana azy isaky ny herintaona. Faritana ao anatin’ny drafitrasa isan-taona PTBA ary arakaraka izany ny hijerena ny hanohizana ny asa.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa famokarana anaty rano hiarovana ara-tsakafo ny tetikasa Asam tohanan’ny GIZ, vatsi­an’ny fiaraha-miasa alemà ara-bola.
Tanjona ny hampiroboroboana ny Toekarena manga amin’ny alalan’ny famokarana anaty rano. Ao anatin’izany ny hampiakarana ny famokarana hazandrano 125 taonina isan-taona any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Atsinanana. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa Forest For Future (4F) ireo voalaza ireo, hampifandrindrana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny toekarena.

Njaka A.

Partager sur: