« Collaboration commerciale »

Niofo ny orinasa Baobab Plus, lasa Izili Madagascar no hiantsoana azy manomboka izao.
Nihatsara manaraka izay ihany koa ny tolotra ka homen-daka ny filana fototry ny vahoaka
malagasy, toy ny angovo sy ny tontolon’ny niomerika.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Gara Soarano Analakely izany,
afakomaly. Nisy ny fampirantiana teny an-toerana. Mbola manamafy rahateo ny
tomponandraikitra fa izy ireo no mpitarika amin’ny alalan’ny fomba fandoavana vola
tsikelikely na ny “pay-as-you-go”.
“Ny pay-as-you-go, fomba fandoavam-bola tsy misy antoka, izay aloanao tsikelikely ary
lasanao ny entana mandra-pahafenonao ilay vidiny. Hatao Mobile Money ny fandoavana
izany”, hoy ny Tale jeneralin’ny Izili, Guilla Lenne Venance.
Marihina fa ny volana avrily 2025, ny orinasa Biolite, izay mpanohana hatramin’izay sady
mpamokatra fitaovana amin’ny herin’ny masoandro fanta-daza, dia lasa mpiara-
miombon’antoka lehibe ao amin’ny Izili.
Niorina ny taona 2016 ny orinasa. Efa mahatratra 260 000 isa ny tokantrano nisitraka ny
vokatra Izili. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainan’ny Malagasy, toy ny fidirana
amin’ny herinaratra, ny fianarana sy ny fifandraisana izany. Amin’izao fotoana izao, efa
manana toeram-pivarotana 230, mpiasa eny ifotony 320, ity orinasa sosialy ity.
Nohamafisin’ny Tale jeneralin’ny Izili, fa ny anarana vaovao dia haparitaka tsikelikely
manerana an’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 2025, ary tsy hiova ny fomba
fiasan’izy ireo. Ankoatra an’i Madagasikara, mijoro ihany koa ny Izili any Sénégal, Côte
d’Ivoire, Nizeria, ary efa nahazo tombontsoa ny olona mihoatra ny 2,5 tapitrisa nanomboka
tamin’ny taona 2015.
F.R




