Manankarena amin’ny resaka hazandrano tokoa ny faritra Melaky, indrindra any amin’ny distrikan’i Maintirano sy Antsalova. Mba hanohanana ireo mpanjono madinika sy hampakarana ny fari-piainan’izy ireo, natolotry ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), izay tarihan’ny minisitra Mahatante Paubert, ny fotodrafitrasa lehibe ahafahana mitahiry sy manatsara ny fitantanana ny vokatra.
Tamin’ny lanonam-panolorana natao tamin’ny fomba ofisialy, naseho ireo “Complexe de pêche” miisa roa sy “Chambre froide” telo, izay natokana ho an’ny fikambanan’ny mpanjono Anjarasoa, any an-toerana. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitehirizana hazandrano tsy ho simba ireo fotodrafitrasa ireo. Hanome lanja ara-toekarena bebe kokoa ihany koa ny vokatra azo. Nisolo tena ny MPEB tamin’izany ny avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB Melaky). Notronin’ny solontenan’ny Faritra, ny prefektiora, ny solombavambahoaka voafidy, ary ny avy ao amin’ny kaominina Maintirano sy Soahany.
Miendrika “location gérance” ny fitantanana ireo fotodrafitrasa mba haharetany sy hanome tombontsoa ara-toekarena ho an’ny mpanjono eny ifotony. Amin’izany, antenaina fa hiakatra ny fari-piainan’ireo mpisitraka ary ho voaaro kokoa ny harena anaty rano ao Melaky.
Fitia Randria




