VAOVAO TAMBATRA

Mihamafy ny delestazy eto an-dRenivohitra, izay maharitra adiny telo, ary indroa miatoana. Misy ny tapaka vao maraina amin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora, ary misy ny tapaka amin’ny hariva amin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora alina. Misy koa ny fahatapahana amin’ny alina. Heverina fa mbola hihamafy ny delestazy satria tonga ny vanim-potoana maintany.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 2 septambre teo, ny Salon de l’Agronomie, atao eny amin’ny Sekoly ambony ESSA Ankatso. Nanokatra izany ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio. Miahy ny ESSA ny minisitera Minae. Tafiditra ao anatin’ny fametrahana rafitra ara-tsakafo maharitra ny hetsika.

Vita ny fipasohana ny ampahan-dalana amin’ ny lalam-pirenana faha-27, mankany Vohibe. Ma­nomboka eo amin’ny PK0, eo amin’ny fihaonan-dalana amin’ny RN7, ka hatrany amin’ny PK145, any Maropaika. Efa vita pasoka (terrassement) ny ampahan-dalana mirefy 18 km. Asa atao ny fanarenana ny lalana, ny fametrahana vato, ny fanamboarana fandalovan-drano ambanin’ny lalana sy ny « radier », sns.

Partager sur: