Nametraka paikady vaovao ny Haban-tseranana malagasy handrindrana ny fitantanana eny amin’ny seranan-tsambo. Nohamafisina ny fanaraha-maso manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Tsy mirindra ny asa eny amin’ny seranan-tsambo hatramin’izay, satria be loatra ny sampandraharaha, miadana ny fomba fiasa. Manana fomba fiasa vaovao ny ladoany entina hanamorana izany, sady manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Misy ny tetikasa iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Biraon’ny Firenena mikambana manohana ny tetikasa (Unops) ary ny fanjakana malagasy. Miisa 9 ny seranan-tsambo nohadihadiana, ny volana jolay sy aogositra 2025: Antsiranana, Vohemar, Antalaha, Nosy Be, Mahajanga, Toamasina, Toliara ary Taolagnaro.
Nampahafantarin’ny tale jeneralin’ny Ladoany malagasy, Zafivanona Lainkana Ernest, omaly, ny vokatry ny fanadihadiana sy ny mahakasika ny tetikasa «Fanaraham-penitra ny seranan-tsambo sy ny faritra manodidina azy: ny dingana arahina sy ny fotodrafitrasan’ny ladoany». Araka ny fanadihadiana, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny ny Haban-tseranana malagasy, saingy mila fanatsarana. Misy ny fanamby tokony hatao isaky ny seranan-tsambo. Mitohana loatra ny fitantanana any Toamasina, kely ny fampiasana ny niomerika any Antsiranana sy Toliara. Antitra ny fotodrafitrasa any Mahajanga, sns.
Hamoaka fehin-kevitra
Araka ny fanadihadiana ihany, marefo ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny sisintany. Hany ka sarotra ny fanaraha-maso ataon’ny ladoany amin’ny faritra tsy misy azy. Manome vahana ny fanondranana na fidiran’ny entana antsokosoko izany. Koa, mila hamafisina ny fanaraha-maso.
Dingana voalohany amin’ny fanavaozana ity tatitry ny fanadihadiana ity. Hamoaka fehin-kevitra mazava sy manokana ny sampana ladoany. Voakasik’izany ny seranan-tsambo tsirairay, ny lafiny fotodrafitrasa sy fitaovana, hanarahana amin’ny antsipiriany ny fenitra.
Njaka Andriantefiarinesy




