Ho fanamafisana indray ny fifandraisan’ny orinasa Patapon sy ny mpanjifany, notanterahina omaly, teny Andraharo, ny famaranana ny “Tombola Patapon millionnaire”. Hetsika lehibe, nahasarika olona maro. Nahatratra 1 tapitrisa teo ny mpandray anjara tamin’izany, avy amin’ny faritra efatra. Anisan’izany Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, ary Toamasina.
Maro ny loka efa nomanina. Miisa 14 ihany kosa ireo olona nandresy, nahazo tamin’ny fisarihana. Anisan’ny fanomezana goavana natolotra ny taratasim-bola mitentina 10 tapitrisa Ariary, ny moto vaovao iray, ny “Bon d’Achat” 1 tapitrisa Ariary. Miampy vokatra Patapon mandritra ny herintaona. Nandravaka ity fotoana ity ny hafaliana sy ny fety, ary nanaporofo indray izany fa ry zareo dia tsy mamokatra fotsiny fa manampy amin’ny fampifandraisana sy fanohanana ny fianakaviana malagasy.
Nandritra izay fotoana maro nijoroany izay, tsy niova ny hafatra sy ny fanoloran-tenan’i Patapon: “Mihatsara hatrany ho an’ny zaza malagasy.” Midika izany fa manohy sy manavao hatrany izy ireo, mba hahafeno ny filan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Afapo tamin’ity hetsika nataon’ny orinasa ity avokoa moa ireo olona nanatrika teny an-toerana.
F.R




