QMM Taolagnaro: Tanora 25 hisitraka ny Fandaharanasa Lombao

Manohana ny tetikasa volavolain’ny tanora ny orinasa QMM any Taolagnaro. Nivoaka ny andiany voalohany hisi­traka ny fandaharanasa Lombao.

Miara-miasa  amin’ny Miarakap ny orinasa QMM amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina (RSE). Mpandraharaha miisa 25, vehivavy ny 14 ary lehilahy 11 no hisitraka ny fandaharanasa Lombao. Tanora 18 ha­tramin’ny 35 taona izy ireo. Voafidy ny tetikasan’izy ireo, noho ny fanavaozana entiny amin’ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny asa tanana, ny indostrian’ny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fitantanam-bola sy ny niomerika ary ny fahasalamana. Natao ny volana jolay teo ny fifaninanana hisitrahana ny fandaharanasa Lombao, tohanan’ny QMM. Miisa 39 ny kandidà nifaninana, ahitana tetikasa 35 sy orinasa vao misandratra 4 avy any amin’ny kaominina Taolagnaro, Ampasy Nahampoana ary Mandromon­drotra, ka ny 25 no voafidy na­haresy lahatra ny mpitsara.
Nizara telo ny dingana na­rahina. Ny famelabelarana fohy, ny fanazavana ny drafitry ny tetikasany avy ary ny famahana ny olana mahaka­sika ny etika. Miisa 10 ny mpi­tsara, avy amin’ny manam-pahefana ao an-toerana, ny sampandrahara teknika sy ireo mpiara-miombon’antoka. Tao anatin’ny mangarahara tanteraka sy ny fanajana ny fitoviana lenta ny fitsarana ny mpiadina.

Fampiofanana sy famatsiam-bola

Nataon’ny QMM sy ny Mia­rakap ity fifaninanana fandaharanasa Lombao ity. Satria, sarotra ho an’ny tanora ny fi­karohana famatsiam-bola ho an’ny tetikasany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tohana omen’izy ireo ny fanofanana, ny fanoroana sy fanaraha-maso akaiky, ny fanampiana ara-tek­nika ary koa fama­tsiam-bola en­tina hanombohana ny tetikasa. Manamafy ny orinasa QMM amin’ny fa­nohanana ny fandraharahana sy ny famoronana asa. Ma­nampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ ny faritra, sady mampihena ny fiankinan-doha amin’ ny asa fitrandrahana ataony.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: