Haranty ao amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina La Cité des cultures Antaninarenina, mandritra ity volana septambra ity, ny sary hosodoko lehibe nataon’ny mpanao hosodoka sady mpihira no mpandihy Naty Kaly, mitondra ny lohahevitra hoe “Fotoanako izao”. Antso na kiaka momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no hasehoan’ny sanganasa avy amin’ny tolo-kevitry ny hetsika Nifin’akanga. Endrika iray hanaovana adisisika, hanehoana zavatra tsy voalaza nefa manan-danja ny kanto ka artista fito no namaly ny Nifin’akanga. I Naty Kaly no voasafidy hitondra ny antso amin’ny alalan’ny sary hosodoko. “Fanentanana ho an’ny fiarahamonina koa ny sary hilazana fa fotoana ho an’ny vehivavy izao ho sahy hijoro sy hitoroka ny herisetra ka hoesorina ny rojo sy ny zavatra rehetra mangeja hatramin’izay”, hoy i Naty Kaly.
Hisy koa fifaninanana sary pika mbola ao anatin’ny lohahevitra “Miaro ny aina” hampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny Nifin’akanga momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy indrindra ny fanolanana sy ny fanolanana ataon’ny olom-pady. Mbola handray hetsika “Oka eky zay” mifandraika amin’izay ny La Cité des cultures ny 27 septambra ho izao ahitana mpanakanto sy artista maro.
Vonjy




