Mahatratra 22 500 m3 isan’andro ny rano vokarin’ny Jirama ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tsy maharaka ny filan’ny mponina andavanandro anefa izany. Satria tombanana
29 000 m3 isan’andro no ilaina, izany hoe, misy fahabangana 6 500 m3 isan’andro. Ny tokantrano monina any amin’ny toerana avo, indrindra ny any amin’ny trano misy rihana no tena sahirana amin’ny fahazoana rano.
Noho ireo antony ireo, misy ny tetikasa entina hanatsarana ny tolotra sy ny famatsian-drano ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Miaraka manohana azy ny Vondrona eoropeanina sy ny Fiaraha-miasa japoney, Jica. Hotanterahina amin’ny taona 2026 ny tetikasa, ary an-dalam-panomanana ny dingana rehetra takina amin’izany ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka roa ireo.
Ho azo antoka, fa hihatsara ny famatsian-drano ao Toa-masina amin’izao fanohanan’ny UE sy ny Jica izao. Eto Antananarivo kosa, tsy mbola fantatra ny fanombohana ny fanoloana ny fantson-drano, anisan’ny antony tsy mampihena ny famatsian-drano efa hatry ny ela.
Njaka A.




