Nanomboka niasa tamin’ny jona 2024 ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 3,5 GW any Chine. Fotodrafitrasa lehibe indrindra maneran-tany.
Miorina any Urumqi, any amin’ny tapany andrefan’i Chine, napetraka amina velaran-tany 133,518 km2 ny takelaka misarika ny herin’ny masoandro, mitovitovy amin’ny haben’ny antsasaky ny tanànan’i New York any Etazonia. mamokatra herinaratra 6 miliara kWh isan-taona, afaka mamatsy an’i Luxembourg na i Papouasie Nouvelle Guinée. Dingana goavana vitan’ny firenena sinoa, sady entina hanavaozana ny fomba famatsiana herinaratra vaovao amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina sy madio. Tsy misy firenena manana fotodrafitrasa lehibe toy ity hatreto, maneran-tany. Manana tanjaka 3,5 GW (1GW= 1 miliara Watts) hatramin’ny 5 GW. Nandaniana vola 15,45 miliara CNY na 1,96 miliara euros. Nanangana ny fotodrafitrasa ny orinasa China Green Electricity Investment any Tianjin, sampana ao amin’ny Vondron’orinasa China Green Development Group. Nanomboka nihodina ny fotodrafitrasa ny oktobra 2020, namokatra 2,2 GW, ka ny orinasa Huanghe Hydropower Development no nitantana azy.
Takelaka miisa 5,26 tapitrisa
Antsoina hoe tetikasa “Mindong” ity famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro goavana indrindra maneran-tany ity. Miaraka manatanteraka azy ny orinasa China Construction Eighth Engineering Division Corp sy ny Power Construction Corporation of China (PowerChina). Natao tsikelikely ny dingana nananganana azy. Miisa 5,26 tapitrisa ny isan’ny takelaka photovoltaika, misarika ny herin’ny masoandro napetraka. Miisa 1,23 tapitrisa ny tongotra vy mitaty ny takelaka. Ahitana foibe manova herinaratra (surpressions) miisa 5, ho lasa 220 kV. Mahatratra 208 km ny tariby mitondra herinaratra, mitatitra ny tambajotra, ahitana foibe manana tanjaka 750 kV.
Nitsangana ny desambra 2020 ny China Green Developement Group (CGDG), orinasa misehatra amin’ny fampiasam-bola goavana amin’ny angovo ataon’ny governemanta sinoa. Ity no orinasa nisolo ny vondrona Luneng, an’ ny orinasa State Grid.
Anisan’ny ifantohan’ny CGDG ihany koa ny fanorenana sy ny fitantanana ny tetikasa mahakasika ny angovo azo havaozina. Tanjony ny hanatratra fametrahana fotodrafitrasa amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina hatramin’ny 20 GW tamin’ny faran’ ny taona 2024 teo.
Mamokatra 40 MW ny eny Ambatolampy
Manana ny foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ihany koa ny eto Madagasikara. Efa namokatra 20 MW (1MW= 1 tapitrisa Watts) ity fotodrafitrasa ity, ary nampiana 20 MW fanampiny, izany hoe, mitotaly 40 MW, izay lehibe indrindra aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Mahatratra 47,1 miliara Ar ny fampiasam-bola (manodidina ny 10 tapitrisa euros). Fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny New Enargy Africa (NEA), sampana orinasa ao anatin’ny Axian Group, ny Green Yellow, ny GuarantCo ary ny banky Société générale, izay niova ho Bred Madagasikara, nanomboka ny taona 2024.
Ankoatra ireo, manana fandaharanasa hanangana foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miisa 78 ny fanjakana malagasy. Tanjona ny hampitomboana avo telo heny ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, ka anisan’izany ny famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy




