Filoha Rajoelina Andry : Hamafisina ny fanjakana tsara tantana

Noraisin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny solontenan’ ny FMI. Nanatrika izany teny an-toerana ireo minisitra sasany sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

Nitarika fivoriana arakasa niaraka tamin’ireo so­lon­tenan’ny «Fonds Mo­nétaire International» (FMI) ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nambaran’ny filohan’ny repoblika, nandritra ity fihaonana ity, fa manana ny lalany hizorany i Mada­gasikara, ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola. “Lalana hizoran’i Mada­gasikara dia ny fanamafisana ny fitantanana ara-bola sy ny fanjakana tsara tantana ary mandray andraikitra”, raha ny nolazainy.

Anisan’ny ohatra nentiny manaporofo izany, ny sata vaovao mifehy ny Jirama sy ny fampiharana ny fanitsiana mandeha ho azy ny vidin-tsolika. Araka ny nambarany dia efa manakaiky ny “vidiny marina” ny solika eto Madagasi­kara amin’izao fotoana izao. Notsiahivin’ny Filoha ihany koa fa efa napetraka ny lalàna momba ny fanonerana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna, indrindra fa ny ady amin’ny kolikoly.

Araka ny filazany, fanehoana fahasahiana ara-poli­tika izany amin’ny fanatanterahana ny fanovana ilaina. Nomarihan’ny Filoham-pirenena malagasy, fa tsy main­tsy ampifanarahana amin’ny zava-misy eto an-toerana ny fomba fampiharana ireo fanovana, mba tsy hitarika krizy ara-tsosialy. Nilaza ny solontenan’ny FMI, Constant Lon­keng, fa zava-dehibe ho azy ireo, ny fampifanojoana ny fanovana amin’ny zava-misy eto Madagasikara.

“Staff Visit”

Manatanteraka “Staff Visit” eto Madagasikara ny FMI, ny 4 – 10 septambra ho avy izao, ary tafiditra ao anatin’izany ity fihaonana natao tamin’ny Filoha malagasy ity.
Araka ny fanazavana, tanjon’ity “Staff Visit” ity, ny hijeren’ny FMI ifotony ny fizotran’ ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena misitraka tetikasa famatsiam-bola toy ny FEC sy FRD. Hafahana mijery ny fivoaran’ny fampiharana na “reformes”, izay mifandraika amin’ireo tetikasa ireo, ary mijery ny mety ho sakana sy fahasarotana ny fanatanterahana izany, mialohan’ny “re­vue d’evaluation” manaraka.

Fitia Randria

Partager sur: