Fitantanana ny Instat : Hitondra herijika vaovao ny tale jeneraly

Notanterahina omaly, tao amin’ny birao nasionaly misahana ny resaka antontanisa (Instat) tetsy Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Razafimiarantsoa Tovonirina Théodore, sy ny tale jeneraly vaovao, Rakotomanana Eric Jean Michel. Niarahaba sy nankasitraka ny tale jeneraly vaovao ny lehibe mpisolo toerana ary nisaotra ny fitondram-panjakana tamin’ny fanomezana mpitarika vaovao ho an’ny Instat. Naneho fankasitrahana ihany koa izy tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana tamin’ireo mpiara-miasa nandritra ny fotoana nitantanany. Nambaran-dRakotomanana Eric Jean Michel, fa heni-kaja tanteraka izy, ary mankasitraka sahady ny fitondram-panjakana tamin’ny fahatokisana napetraka taminy ary vonona ny tenany, ny hitondra ny Instat, amin’ny fahitsiana sy ny fahaiza-mitantana.

Nisolo tena an-dRamatoa minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola teny an-toerana moa, ny mpanolotsaina, Rasolofonantenaina José Elysé, izay nitsodrano ny tale jeneraly vaovao ary nirary soa ho an’ny tale mpisolo toerana. Nanatrika ity fotoana manan-danja ity moa, ireo Tale isan-tokony sy ireo solontenan’ny mpiasa ao amin’ity birao ity, ho vavolombelona amin’ny fiovana anatin’ny fitantanana.

Fitia Randria

Partager sur: