Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga : Atrikasa ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy ara-dalàna

Tontosa tao amin’ny No­vo­tel Alarobia, omaly, ny fanokafana ofisialin’ny atrikasa fampiofanana ho an’ireo teknisianina marolafy misehatra amin’ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Ity atrikasa ity, karakarain’ny Global Fishing Watch (GFW), ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 12 septambra ho avy izao. Ity hetsika ity, hiarahan’ny GFW misalaha amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Araka ny fanazavana, tanjona amin’ity fiofanana ity, ny fampiasana ny fitaovan’ny GFW, ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny asa fanjonoana ao amin’ny fari-drano­masin’i Madagasikara.
Tonga nanokatra ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Tilahy Désiré, notronin’ny tale jeneraly misahana ny Jono sy ny Fihariana anaty rano, sy ny tompon’andraikitra avy amin’ ny GFW. Mpandray anjara maro avy amin’ny sehatra samihafa no tonga nanatrika ny hetsika. Anisan’izany, ny avy ao amin’ny MPEB, ny CSP, ny APMF, ny MEED, ny GFW ary ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena.

Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao, ny hanafainganana ny famokarana vaovao ary ny hanatsarana ny fanangonana atontan-kevitra mahakasika ireo sambo manjono tsy ara-dalàna. Anisan’ny dingana lehibe amin’ny fanohizana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ ny fiarovana ny harena an-dranomasina ity hetsika ity. Eo koa ny fametrahana fifehezana hentitra amin’ny jono tsy ara-dalàna eto Mada­gasikara.

Fitia Randria

Partager sur: