VAOVAO TAMBATRA

Nitombo ho adiny 4 ora sy sasany ny faha­retan’ny delestazy eto an-dRenivohitra, nanomboka omaly talata 9 septambra. Naharitra adiny 4 ora man­tsy izany teo aloha, ary adiny 3 ora talohany. Azo antoka fa mbola hihamafy izany atsy aoriana kely, izay fotoana vao hanombohan’ny maintany izao.

Mitohy ny asa fanamboarana ny RN5, eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe. Mandeha araka ny tokony ho izy sy ara-potoana ny fanamboarana fotodrafitrasa. Ankoatra ny fanarenana, hatao godirao ny lalana. Misy ny fananganana tetezana lehibe, hanoloana ny baka fiampitana. Miezaka mampiroborobo ny fotodrafitra entina hampivoarana ny toekarena eto Madagasikara ny fanjakana.

Efa mahatratra 2000 Ar ny kilaon’ny voankazo fraise amin’izao fotoana izao. Eo amin’ny 1000 Ariary kosa ilay kalitao antonitoniny. Araka ny fanazavana nataon’ireo mpivarotra teny Mahamasina, efa hanomboka hiova ny vidin’izany, saingy tsy fantatra na lafo izany na ho mora.

Partager sur: