Famokarana ambanivohitra : Fampiofanana ho an’ny vehivavy

Vita sonia ny 9 septambra teo ny fiaraha-miasan’ny telo tonta. Nanatanteraka izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovatena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampanananasa, Rasoloa­ri­soa Marie Marcelline, ary ny filohan’ny Federasionin’ny ve­hivavy avy any Hunan Sina, Yang Lansing. Tanjona ny hanofanana ny vehivavy ara-pamokarana, toy ny fambolena vary safiotra, ny fampitana fahaiza-manao ary ny fanamafisana ny fahaizana mampiasa ny teknolojia.

Fampivoarana ny rafi-pambolena
Nilaza ny Sesa, Razana­mahefa Tahian’Ny Avo, fa «mamaly ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), sy fanatanterahana ny teti­ka­sa Vehivavy reny afrikana vaovao, izao fiaraha-miasa izao. Ho fototry ny fampivoarana ny rafi-pambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ny vehivavy manomboka izao». Nape­traka nandritra ity fotoana ity, any amin’ny kaominina Soa­vina Atsimondrano, ny vatofehizoro mirakitra ity fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny federasionin’ny vehivavy any Hunan Sina ity.

Njaka A.

Partager sur: