Harenina ny ala honko any amin’ny faritra Boeny. Tsinjovina ihany koa ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra amin’ny tetikasa iray an’ny Bôndy Madagasikara izany.
Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa Honko, tanterahin’ny orinasa Bôndy. Miisa efatra ny faritra iasany, Diana, Sofia, Boeny ary Melaky. Tanjon’ny tetikasa ny hanarenana ny ala honko simba mba hiarovana ny morontsiraka amin’ny fikaohan’ny ranomasina sy ny loza voajanahary. Eo koa ny fitsinjovana ny velon-tenan’ny mponina mba hiakaran’ny fari-piainany sy hitondra fampandrosoana.
Ho an’ny faritra Boeny, natolotry ny Bôndy, ny alatsinainy 8 septambra teo, ny jiro manazava ny tanàna miisa
20, ho an’ireo fokontany tena iasany ao anatin’ny kaominina telo, Mahajamba usine, Boanamary ary Belobaka, samy ao anatin’ny distrika Mahajanga II. Nambaran-dRakotondraibe Harison, talen’ny vakoka Bôndy, fa santatra ny fanomezana jiro manazava, fa maro ny tetikasa hatao hanatsarana ny fiharian’ny mponina, toy ny fanarenana fananganana sekoly, toeram-pitsaboana, famatsiana rano fisotro, sns. Manginy fotsiny ny famolavolana tetikasa fiompiana tantely sy ny landibe.
Vonona
Nilaza ny solombavambahoaka Mahajanga II, Ramananarivo Orlando, fa vonona hisolotena ny vahoaka sy hifanome tanana ny tenany amin’ny fikarohana vahaolana mitondra fampandrosoana ho azy ireo. Nanamafy izany ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Boeny, Andrianantenaina Jimmy Christian, fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisitera ny mifandray amin’ny mpiara-miombon’antoka toy izao, hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina. Hitany ny fahombiazan’ny Bôndy amin’ny fanarenana ny ala honko ao anatin’ny fotoana fohy. Nangataka ny hanarenana ny ala honko any amin’ny kaominina hafa koa ny talen’ny fampandrosoana ny tontolo iainana, faritra Boeny, Ranaivoson Tahirisoa. Nilaza i Brechard, avy any Belobaka, fa nahasoa azy ireo tokoa ny nanarenan’ny Bôndy ny ala honko, satria hiverina ny hazandrano, toy ny makamba sy ny drakaka, monina anaty ala honko. Nahazo tambim-bola koa izy ireo amin’ny fambolen-kazo.
Njaka
Andriantefiarinesy
300 ha narenina
Nahatratra 300 ha ny ala honko narenina, nambolena zanaka honko, nanomboka ny taona 202,1 any amin’ireo kaominina telo, Mahajanga II. Mitotaly 15 000 ha ny tanjona harenina ao anatin’ny 7 taona.




