Filaharan’ny Fifa: Niverina eo amin’ny laharana faha-108 ny Barea

Miakatra hatrany! Na­moaka ny filaharan’ireo firenena, amin’ny taranja baolina kitra, ny Fe­derasionina iraisam-pirenena Fifa, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tse­raseran’izy ireo. Araka ny fikarohana natao, ni­verina eo amin’ny laharana faha-108 ny Barea, raha mbola eo alohany hatrany i Comores, mitana ny faha-105.
Tsiahivina fa efa tany amin’ ny volana septambra 2024 no na­hazoan’i Madagasikara io
fi­laharana io farany. Nam­pi­aka­tra izany ny fifanintsanana “Chan 2024” farany teo, izay nahazoan’ny Barea ny me­daly vo­lafotsy, miampy ilay fan­dre­sena indroa nisesy, ta­min’i Centra­fri­que sy i Tchad, nandritra ny fifanintsanana “Mondial 2026”.
Marihina fa teo amin’ny fa­ha-115 ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha.
Tsy mbola voasongona i Comores
Tsikaritra tamin’ity filaharana nivoaka ity fa mbola ao­rian’i Comores hatrany ny Ma­lagasy. Ampahafantarina fa mbola manala vela amin-dry zareo kaomorianina ny Barea. Amin’ny volana oktobra ho avy io, hifandona amin’i Ma­da­­gasikara indray ny Nosy ra­havavy, Comores sy i Mali, ka hiankina amin’io lalao io tanteraka ny tohin’ny fiadiana ny ta­pakila mankany amin’ny Mon­dial ho azy ireo.
Marihina fa tsara toerana ny ekipa nasionaly malagasy, raha toa ka mandresy ireo fi­renena roa ireo.

Fitia Randria

Partager sur: