Faharesena misesy ny azon’ny Akion’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny “Can U17”, vehivavy. Mbola resin’i Kenya indray izy ireo.
Nitohy omaly alakamisy, tao amin’ny Kianja Complexe Miloud Hadfi, Algerie, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Tojo faharesena fanindroany indray ny Akion’i Madagasikara. Lavon’i Kenya, tamin’ny isa 34 no ho 23, izy ireo. Mbola nifandanja ny lalao teo am-panombohana.
Nanokatra ny isa hatrany ny Malagasy, izay vao nanasahala ho 1 sy 1 i Kenya. Avy eo notarihin’ny Akio indray ka sahala 2 no ho 2. Hitan’ny kenyanina amin’ izay ny lesoka teo amin’ny vodilaharana malagasy ka sesilany ny baolina tafiditra. Niitatra tsikelikely ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nitarika hatrany amin’ ny isa 8 no ho 2 izy ireo vao nahatafiditra baolina ry Narindra sy Angela ary i Eulalie.
Lesoka ho an’ny Akion’i Madagasikara ny fikoropahana, betsaka ireo baolina very na azon’ny mpifanandrina ka lasa baolina maty ho an’i Kenya. Minitra faha-8, nahazo karatra mena i Sabrina, Malagasy mpiandry tsatoby ka nilalao enina ny Akio. Nisy fiantraikany io tsy fahampiana teny ambony kianja io, indrindra teo amin’ny fiarovan-tena, ka nohararaotin’ny kenyanina nampidirina baolina. Nitarika tamin’ny isa 18 no ho 13 i Kenya, teo am-pialantsasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nanafaingana ny fanafihana ny Akio saingy lesoka hatrany ny famaranana. Na voasakan’ ny mpiandry tsatoby ny tifitra na azon’ny vodilaharana ny baolina. Ankoatra izay, matetika no “zone” ny lohalaharana ka tsy maty ny baolina. Betsaka koa ireo “7 mètres” tsy maty. Tombony ho an’i Kenya ny hakingan’ireo elatra havia sy havanana amin’ny fampidiram-baolina. Tsiahivina fa efa resin’i Angola ny Akio, nandritra ny andro voalohany.
Tompondaka




