Ho fampivoarana hatrany ny taranja Jiu-jitsu eto Madagasikara, hisy indray ny seminera karakarain’ny Federasionina malagasin’ny Jiu-jitsu breziliana sy ny klioban’ny Bzarilian Jiu-jitsu Esca. Hotanterahina ny 25 sy ny 26 septambra izao, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena ny hetsika. Ilay mpanazatra frantsay, i Anthony Masblanc, no hizara ny traikefany amin’ny Malagasy mpikatroka mandritra io roa andro io ary niainga omaly izy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina. Raha ny fandaharam-potoana, ny GI no hatao ny 25 septambra amin’ny 5 ora hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva. Natokana ho an’ny NOGI kosa ny 26 septambra amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva.
Tsiahivina fa efa 20 taona niangaliana ny taranja JJB i Anthony Masblanc. Nahazo ny tepana mainty, ny taona 2025, ary ny klioban’ny “CBU Combat Limoges” ao Frantsa no namolavola azy. Zava-dehibe ho an’i Anthony Masblanc ny seminera izay hataony eto Madagasikara, raha ny nambarany. “Fotoana hahafahako mizara ny traikefa sy handraisako anjara amin’ny fampivoarana ny JJB eto Madagasikara ity seminera ity”, hoy ny nambarany. Vao sambany moa no ho avy eto Madagasikara i Anthony ka ho ataony tantara mipetraka sy raiketina ho fahatsiarovana tsara izany. Efa nandrombaka medaly 6 tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa, medaly 3 tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa ka volamena ny iray, i Anthony Masblanc, ankoatra ireo fifaninanana goavana maro efa nandraisany anjara.
Mi.Raz




