Baolina kitra afrikanina :Hiakatra kianja rahampitso ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Hotanterahina rahampitso ny lalao mandroson’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus sy AS Fanalamanga.

«Raikitra ary!» Hia­katra kianja ra­hampitso avokoa ireo solontenan’i Madagasika­ra, ny Elgeco plus Analaman­ga sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro, amin’ny la­lao mandroso, savaranonando, fifanintsanana afrikanina. Raha eo amin’ny « Ligue des Champions Caf », hifanandrina amin’ny Silver Strickers avy atsy Malawi, ny klioban’ny Elgeco plus, ary ao Maorisy no hanaovana ny lalao. Hifandona amin’ny Club Fer­ro­viario de Maputo avy atsy Mozambika kosa ny AS Fa­nalamanga, mandritra ny lalao hiadiana ny amboaran’ny Caf (CCaf). Raha ny fantatra dia hotanterahina ao Maputo ihany ny fifanandrinana.
Tsara ny mampahatsiahy fa samy naka mpilalao hanatevin-daharana azy avokoa na ny Elgeco Plus na ny AS Fanalamanga. Naka an-dry Tendry, Disciples FC sy i Pascal, AS Avenir Ste Anne, ny ekipa avy atsy Alaotra Mangoro, raha toa ka ry Gregass, CFFA, i Toky Niaina, Cosfa, ary i Toky sy i Nicolas, Fosa Juniors Boeny no hanatevina ny Elgeco Plus, amin’ity fifanintsanana ity.
Efa samy tonga any an-toerany ny klioba roa tonta hiaro ny voninahi-pirenena. Efa samy nilaza ireo mpilalao fa vonona tanteraka ny hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no hiatrika lalao afrikanina ny AS Fanalamanga, raha toa ka efa fanimpitony amin’ity ny Elgeco Plus no hiantsehatra amin’izany. Irariana mba hitondra vokatra tsara ireto ekipa roa ireto, fa tsy hihintsana eo amin’ny dingana voalohany, tahaka ireo klioba roa farany teo.

F.R

Partager sur: