Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena manaraka.
Nisongadina indray ny ekipan’ny Real Madrid, afakomaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra. Nahazo fandresena 4 no ho 1 teo anatrehan’ny Levante indray izy ireo ary nahatafiditra baolina betsaka indrindra tamin’izany, i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharan’ny Real Madrid.
Raha ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, maratra mafy eo amin’ny lohaliny i Gavi, espaniola milalao ao amin’ny klioban’ny FC Barcelone. Nilaza ny dokotera nitsabo azy fa tena potika tanteraka ny lohalin’ity mpilalao ity, ary ahiana ho volana maro izy no tsy afaka hilalao sy hiakatra an-kianja.




