Teny malagasy : Mila idirana ny kolom-bolana aman-tsoratra

Mivoatra ny teny malagasy. Na izany aza, miatrika olana maro izy io. Saingy toa nanjary saro-tadiavina ny vahaolana… Na, mety hisy ihany fa takona amin-javatra hafa? Tsy marisika hitandro ny hasin’ny teny malagasy intsony ny Malagasy?

Volana na vôlana na teny. Iray ihany ireo. Tsy mba voakolokolo izy io fa noraisina ho mandeha ho azy satria ny Malagasy ve moa tsy hahay teny malagasy? Sady mety tsy ho zava-dehibe ho antsika rahateo ny kolom-bolana.
Manomboka mankany amin’ny fahapotehana tsikelikely ny teny malagasy noho ny tsy fahampian’io kolom-bolana io. Manao fikarohana, ohatra, ny mpikaroka sy mpahay momba ny teny. Mba aiza moa ny sehatra hamoahan-dry zareo ireny ny voka-pikarohany ireny? Na misy aza, toa natokana ho an’ireo am­bony fahalalana ihany izany. Tsy tafapaka eny anivon’ny fiarahamonina.
Tafiditra ao anatin’ny kolom-bolana ihany koa ny fanitsiana ny diso na fanarenana ireo hita fa tsy mety. Na ireo heverina ho « tapi-pahaizana » amin’ny teny sy fiteny malagasy aza tsy sahy manitsy fa « pataloa » no tokony ho izy fa tsy « pataloha », araka ny hanoratantsika azy hatramin’izay.
Ho an’ny soratra indray. Tafiditra ao anatin’ny fikoloana azy ity ny fanomezana aina vaovao hatrany ny mpanoratra amin’ny alalan’ny fampirisihana maro samihafa. Tsy fakana tahaka fahatany akory fa tokony horaisina ho soa fianatra ny fisian’ny « penina volamena » any ivelany. « Lo­ka » goavana be ho an’ny mpanoratra ny tahaka ireny, saingy tsy mba tazana eto Madagasikara. Fa nahoana?
… Mety mbola hijanona ho nofinofy ihany anefa ny kolom-bolana aman-tsoratra eto raha tsy mahafantatra ny lanja tokony homena izany ny tsirairay. Anisan’izany ny mpitondra isan’ambaratonga. Hanam-pahasahiana ny hanoratra amin’ny teny malagasy ireny taratasim-pifandraisana isan-karazany any amin’ny biraom-panjakana ireny ve, ohatra, ny mpiasam-panjakana? Tahaka izany ihany koa ny any amin’ireny orinasa isan-tsokajiny ireny?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: