Mois : septembre 2025

Mba tsy misy hadino…  

Tsy moramora ny fiatrehan’ny vahoaka ny fiainana andavanandro. Ao anaty fahasahiranana lava… Vao main­ka mafimafy izany amin’izao? Eo, ohatra, ny fizakana ny fampidirana mpianatra. Toy izany koa ny fisiana fanahiana sahady ny amin’ny famatsian-jiro sy rano ao anatin’ny maintany. Eny, na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza. Efa misy ny fitsinjovana […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy henjana ny sazy amin’ny fanolanana”

Nahabe adihevitra teto Madagasikara talohaloha teo ny amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ka nanaovana lalàna ny amin’ny famosirana izay tratra sy melohin’ny fitsarana noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Efa saika lasa adihevitra politika aza izany… Ani­san’ny nahatonga ny di­sadisa diplaomatika niafara tamin’ny fandaozan’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina telo aloha iray […]