Harena ny fahasamihafana. Aty amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina no tena voamarina indrindra izany. Izay mantsy no hasongadina mandritra ny «Angaredona Mozika Festival», nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 13 septambra teo, teny Ambohimanga. Hita taratra sahady, teny am-panombohana, ilay «kolontsaina mampiray firenena», araka ny lohahevitra hovoizina mandritra ity […]
Mois : septembre 2025
« Tafan-gilita fifaninanana »: Nandrombaka ny voalohany i Hira
Mafy ny fifaninanana! Fa nisongadinana kokoa noho ireo namany, ka nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mitendry gitara, anatin’ny hetsika « Tafan-gilita Festival », i Hira. Tsara toerana hatrany izy nanomboka tany amin’ny dingana voalohany ka hatramin’ny famaranana, omaly. Nitovitovy ny safidin’ny mpitsara sy ireo mpankafy, izay nifidy teny Mahamasina. Mbola tanora […]
« Tafan-gilita Festival » andiany voalohany: Nomem-boninahitra ireo andrarezina amin’ny gitara
Hetsika misy faka, mibanjina ny hoavy. Nanaovana poa-tsatroka ireo nitondra avo ilay « Revy gilita » teto an-tanàna. Azo antoka ny mpandimby. Fahombiazana. Izay no mahafehy ny «Tafan-gilita Festival» andiany voalohany, izay tontosa ny faran’ny herinandro teo. Na teo aza ireo fingana sy fandripandrika isan-karazany natrehin’ny mpikarakara sy ireo mpisehatra, tafakatra ambony […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriambe faha-80 hataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny 22-27 septambra, any New York, Etazonia, ny amin’ny tokony hamerenan’ny fanjakana frantsay ireo Nosy malagasy manodidina, izay efa namoahana fehinkevitra tamin’ny 12 desambra 1979. Amin’izao, ao anatin’ny antontan-taratasy faha-60 izany. “Zava-dehibe ilaina eto amin’ny firenena ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana”, hoy ny […]
Antoko Alfa : “Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra”
“Mamelona lakolosy izahay eto amin’ny antoko Alfa. Satria manahy be ihany ny amin’ny fifampihantsiana sy fifandranitana misy etsy sy eroa sy amin’ny haino aman-jery maro samihafa. Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa), Rakotoniaina Mamitiana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena […]




