Tojo faharesena fanindroany indray ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U17, omaly tatsy Harare, Zimbabwe, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa). Nomontsanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny zandrikely malagasy. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa […]
Mois : septembre 2025
DAKA AN-JORONY: Aza manao toa an’Ankatso sy Ambohidempona
Madiva hifarana ny taona 2025. Samy ao anatin’ny fanaovana tombanezaka, ankehitriny, ny federasionina isanisany, ny klioa tsirairay ary ny atleta sy ny mpanazatra. Fomba fanao mahazatra izany rehefa tapitra ny taom-pilalaovana. Hitodihana ny lasa, hibanjinana ny hoavy. Misy anefa ireo mifangarika be ihany. Tsy miady tsy miady fa kibay an-kelika […]
Lomano : Nitondra vokatra tsara ny fiofanana tany ivelany
Anisan’ny nisitraka ny fiofanana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja lomano, i Madagasikara. Malagasy mpilomano roa no niatrika izany, tamin’ity taona ity. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ireo Malagasy mpilomano mianadahy, niaraka tamin’ny Tale teknika nasionaly, niatrika fiofanana avy amin’ny “World Aquatics”. Nambaran’izy ireo fa maro ny lesona sy fahaiza-manao nandritra ny fiofanana […]
Basikety N1A 2025: Tompondaka ny GNBC sy ny CosPN
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, sokajy lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ekipan’ny GNBC, vehivavy, sy ny CosPN, lehilahy. Avo lenta tanteraka ny lalao famaranana nizotra teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ho an’ny taranja basikety, […]
TARATRY ny KANTO
Nisongadina ireo Malagasy mpandihy, nandritra ny «Festival Bouzé» natao tao La Réunion, ny sabotsy 13 septambra lasa teo. Tompondaka teo amin’ ny sokajy «Afro style» i René. Nandresy tamin’ny sokajy « Hip Hop Free Style » kosa i Andoniaina. Ankoatra izay, nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny sokajy breaking ihany koa, i Bibrock. […]




