Mois : septembre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ny namaly ny antso ka handray anjara amin’ny fifaninanana “Madagascar International BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu breziliana, i Angola sy Afrika Atsimo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasy JJB. Fifaninanana hotontosaina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana […]

Zandarimariam-pirenena : Hanangana ekipa amin’ny taranja maro

Klioba mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny taranja volley-ball ny Zandarimariam-pirenena. Porofon’izany ny nahazoan’ny GNVB ny am­boara rehetra tamin’ny fifaninanana nasionaly, teo amin’ny sokajy U16 sy U20, tamin’ity taona ity. Ankoatra izay misongadina eo amin’ny iraisam-pirenena ihany koa ny GNVB, izay nandrombaka ny amboara nandritra ny RNS 2024 natao tany […]

Handball – “IHF Trophy” : Hiady ho lohany ny Akio

Hanomboka rahampitso, any Oran, Algérie, ny fiadiana ny “IHF Trophy” kaontinantaly, taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Anisan’ireo firenena hiady ho lohany amin’ity ny Akion’i Madagasikara. Firenena 11 no hifampitana amin’ity ka ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Angola, Nigeria, Tunisie, Kenya, ary i Benin. Azo lazaina […]

Baolina kitra – Cosafa U17 : Resin’i Malawi 3 no ho 1 ny Barea zandriny

Ratsy fiditra! Vokatra ratsy no nanombohan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny, ny fifaninanana Cosafa U17, izay tanterahina any Zimbabwe, ny 11-20 septambra. Resin’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara. Lavo sahady! Nanao fampisehoana teo anatre­han’ny Barea zandriny mihitsy i Malawi, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ngomi Mwos Stadium Zimbabwe. […]

INDRAY MIJERY

Tomponandraikitra ifotony avy amin’ny fokontany miisa 31, eo anivon’ny Boriborintany faha-VI, no nanatrika ny fanentanana momba ny famarinana olombelona tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ireo endrika famarinana olombelona misy eto Madagasikara ireo olona sy sampandraharaha voakasika izany. Teo koa ny lalàna mifehy izany. Noresahina ihany koa ireo sazy mifandraika amin’ireo mpiray tsikombakomba. […]