Mois : septembre 2025

Karate – Madagasikara: Handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika

Anisan’ny fanamby napetraky ny Federasionin’ny karate-do malagasy ny hivelaran’ ny Malagasy atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hahazoana vokatra tsara. Po­rofon’izany ny vokatra azon’ny Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria farany teo. 11 mianadahy no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany ka nahazo ny tapakila hiatrehana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina manomboka anio, any amin’ny Nosy Maorisy, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Nanamarika ireo mpikatroka fa nianto-tena tanteraka izy ireo amin’ ity fifaninanana ity, saingy kosa ny voninahi-pirenena no arovana. Omaly no nanainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasionina miisa 7. Araka ny vaovao miely […]

Tsipy kanetibe : Ekipa telo efa tafita amin’ny Final four

Hotanterahina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahan­tena Marcel Cerdan, ao Levallois France, ny dingana fahenina farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Masters 2025», taranja tsipy kanetibe. Hatreto, ekipa telo no efa fantatra fa tafita amin’ny Final four na ho inona vokatra amin’ity dingana atao ity. Anisan’ireny i Madagasikara, efa manana isa 35, […]

Fifanintsanana « Mondial 2026 » : Hitady isa telo manoloana an’i Centrafrique ny Barea

Hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique, ny ekipa nasionaly malagasy, Barean’i Madagasikara, anio. Hiezaka ny hahazo isa telo izy ireo, mba hanana tombony kokoa. Tonga ity ny fotoana! Hia­trika ny lalao ifanintsa­nana amin’ny “Mondial 2026” indray ny Barea, anio, any Maroc. Hifanandrina amin’i Madagasikara, amin’izany, i Centrafrique, fihaonana izay […]

Vidina fitaovan’ny mpianatra: Efa mahatratra 30 000 Ariary ny vidin’ny fonosana iray amin’ny kahie

Ao anatin’ny va­nim-potoanan’ny fampidirana mpianatra ny maro amin’izao fotoana izao. Telo alina ariary eo ny vidin’ny iray pa­quet amin’ny kahie lehibe, 200 pejy, amin’izao fotoana izao, araka ny fanadihadiana natao te­tsy Analakely, omaly. Raha ny hita teny an-toerana, miisa dimy ny kahie hita anaty fonosana, izany hoe, 6 000 Ar ny […]