Manatanteraka hetsika etsy amin’ny efitrano malalaky ny AUF Faravohitra ny mpianatra L3, ao amin’ny sampam-pianarana Psychologie sociale et interculturelle, ao amin’ny Fakiolten’ny haisoratra sy ny siansa maha olona, eny anivon’ny onversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra izany. Mitohy hatramin’ny faran’ny herinandro izao. Manome sehatra ho an’ny mpitsidika, haneho ny fihetsehampony amin’ny […]
Mois : septembre 2025
Fanaovam-baksiny: Notolorana moto miisa 1 432 sy fiara ny CSB 2
Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana sy ny fampakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny. Notoloran’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka fiara sy moto vaovao ny CSB2, omaly. Sehatra iray, anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fahasalamam-bahoaka. Voakasik’izany mivantana ny fanaovam-baksiny, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa nasionaly na ny […]
Fahapoizinana ara-tsakafo: Mitaky ny marina Ratsiraka Roland
Mitaky ny marina manoloana ireo fahafatesan’olona tato ho ato ny depiote Ratsiraka Roland. Anisan’izany ireo mpanakanto roa maty sy ny iray mbola tsaboina hatramin’izao. 26 ireo narary tany Antsiranana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nohitsiny fa tena heloka bevava ny lainga momba ny fahasalamam-bahoaka. Mitovy amin’ireo teny Ambohimalaza sy tany an-kafa […]
Fanolorana ny kabeson’ny Ampanjaka: Hidina ifotony any Menabe ny filoha Rajoelina
Hidina ifotony any amin’ny faritra Menabe ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy ho avy izao. Anisan’ny anton-diany any amin’iny faritra iny ny hanolotra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera amin’ireo taranany sy ny kabeson’ireo miaramila roa hafa mpitari-tafika. Hisy ny lanonana ara-kolontsaina sy ny fombafomba hatao ho mariky ny […]
Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Pnud: Nofanina hitady loharanom-bola ny ben’ny tanàna
Mitohy ny fampiofanana makahasika ny fitadiavana loharanom-bola ho an’ny ben’ny Tanàna. Miandraikitra ny fifampizarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany. Anisan’ny ezahan’ny minisitera amin’izany ny fanampiana ny mpitantana eny ifotony ka anisan’ny nisitraka fampiofanana ny ben’ny Tanàna, ho an’ny faritra Analamanga, omaly. Niarahana amin’ny eo anivon’ny Pnud sy […]




