Mois : septembre 2025

Alefa Parkour-Andiany faha-4 : Homena lanja manokana ny vehivavy

Nisokatra ofisialy ny alarobia lasa teo, teny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny andiany faha-4 amin’ny “Festival Alefa Parkour”. Fame­labelaran-kevitra fampahafantarana ny hetsika no nanombohana izany. Hampiavaka ity andiany faha-4 ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara avy amin’ny Traceur Gasy, Fali­niaina Antonio, ny fanomezan-danja kokoa ny vehivavy. Izany indrindra ny lohahevitra […]

Basikety-N1A “Elites 8”: Hanomboka anio ny fifaninanana

Tontosa omaly, ny fivoriana ara-teknika ho an’ny dingana faharoa sy farany amin’ny fifaninanana N1A lahy sy vavy. Anio kosa no hanomboka ny lalao izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Raha ny fandaharan-dalao, ny fihaonana eo amin’ny NGB Itasy sy ny COSPN Anala­manga no hisantarana ny fifaninanana ho an’ny sokajy […]

H.D.A – Tetikasa « Mahasaky » : Mila fantatra ny fomba fampiasana ny internet 

Miroborobo fatratra ny fampiasana ny tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Misy fepetra tokony harahina anefa raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy amin’izany, raha ny voarakitra ao anatin’ny tetikasa « Mahasaky ». Omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina, no nanakatonana ilay tetikasa « Mahasaky » niarahana tamin’ny ONG Human Development Action (H.D.A) sy ireo mpiara-miasa aminy […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telovolana ho avy, hifanaraka na hana­tombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra Diana, Sava, Betsiboka sy ny tapany andrefan’ny faritra Sofia. Toy izany koa ny tendrony atsimon’ny faritra Boeny, ny ilany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana sy ny tendrony atsimon’ny faritra […]

Vaksiny sy fandrindram-piterahana : Efa miharesy lahatra ny olona

Nanao tombana ny ezaka vita amin’ny sehatry ny fahasalamana ny Filoham-pire­nena, omaly, tetsy Ivato. Nison­gadina ny fanaovam-baksiny sy ny fanaovana fanabeazana aizana, izay nanaovana hetsika manokana mihitsy teto amin’ ny firenena. 86% ny zaza vita vaksiny fatra fahatelo miaro amin’ny lefakozatra amin’izao fotoana. Nisaotra manokana ny mpiasan’ny fahasalamana ny tenany […]