Mois : septembre 2025

“Knowledge Exchange” : Fihaonambe momba ny fananantany

Tanterahina any Addis-Abeba, Etiopia, ankehitriny, ny fihaonambe ao anatin’ny tetikasa «Knowledge Exchange». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Global Program for Responsable Land Policy (GPRLP) tarihin’ny fiaraha-miasa alemà GIZ. Manangona sy mampifandray ireo manampahaizana sy teknisianina amin’ny fitantanana ny fananantany avy any amin’ny firenena maro aty Afrika ny tetikasa. Tanjona ny hifampizarana […]

Tetikasa PLAE VI : Velarantany 1 400 ha narenina any Betsiboka

Mifantoka amin’ny ady amin’ny fikaohan’ny riaka ny asa, fanatsarana ny velon-tenan’ny tantsaha, ny fananantany, sns. Nahomby ny zava-bita any Betsiboka. Feno 25 taona ny Teti­kasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE VI). Tanjo­na ny hiarovana sy hanarenana ny tany. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsi­an’ny KFW alemà […]

Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa : Nankatoavina ny paikady niomerika

Nankatoavina ny herinandro teo ny paikady nasionaly momba ny digitalisation ao amin’io minsitera io. Mikendry ny hanova ifotony ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny niomerika, mba hanamorana ny fidirana amin’ny asa, ity paikady ity. Eo koa ny fanavaozana ny fitantanana […]

Teleferika : Misokatra ny fiantsoana mpiasa

Namoaka fiantsoana malalaka ho an’ireo maniry handra­fitra ny orinasa hitantana ny fotodrafitrasam-pitaterana vaovao teleferika ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny lafiny fitantanana, ny fandrindrana teknika ary ny fampiroboroboana ny lafiny ara-barotra. Misokatra hatramin’ny alatsinainy 04 oktobra ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona rehetra liana amin’ izany ary misy ny fepetra […]

MEN – FCRA : Nahazo sekoly manara-penitra ny fokontany Ambohitrinibe Andakana

Nahazo sekoly manara-penitra ny mpianatra ao amin’ny fokontany Am­bohitrinibe Andakana, kaominina Anosiala, disitrikan’Am­bohidratrimo. Tontosa omaly, tany an-toerana, ny lanonam-pitokanana ny sekoly fanabeazana fototra ” La Sagesse Universelle “. Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no nahafahafana nanatanteraka ny fotodrafitrasa. Angady nananana sy vy nahitana ny sekoly ny […]