« Sady tsy resy no tsy nandresy ! » Samy niafara tamin’ny ady sahala, 1 no ho 1, avokoa ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, omaly, nandritra ny lalao mandroson’ny savaranonando amin’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ny klioba. Raha ho an’ny Ligue des champions C, tsy nahita fahombiazana teo anatrehan’ny Silver Strickers, […]
Mois : septembre 2025
Baolina kitra – Antsirabe : Nafana ny fandraisana ireo mpilalaon’ny Disciples nanao « Chan »
« Mendrika ! » Tontosa tao Antsirabe, ny asabotsy teo, ny fandraisana ireo mpilalaon’ny Disciples FC, izay nitondra avo ny Barea, nandritra ny « Chan 2024 », ny volana aogositra lasa teo. Nafana ny fandraisana an’i Claude, i Andy, i Bono, i Dahery ary i Coach Bebeto, mpanazatra ara-batana ny Barea Chan, teny […]
DAKA AN-JORONY: Aza atao misy zanak’Ikalahafa
Mitohy hatrany ny vokatra tsara entin’ny fanatanjahantena malagasy. Taorian’ny baolina kitra, mitondra ny anjarany koa ny taranja tsipy kanetibe. Nanakoako maneran-tany indray ny lazan’i Madagasikara rehefa nandrombaka ny anarana maha tompondaka maneran-tany, ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Miandrandra izay ho valin-kasasarany koa izy ireo ankehitriny. Koa aza atao misy […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tompondaka maneran-tany, olon-droa miaraka, ny Malagasy
Nitondra avo ny voninahi-pirenena indray ny taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, eo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, miaraka ny Malagasy rehefa nandresy an-dry zareo frantsay, teo amin’ny famaranana. Anaram-boninahitra voalohany azon’i Madagasikara. Tsara fiafara ny dian’ny Malagasy tany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, ho […]
Espoirs Sportifs de Tuléar : Fikambanana mivelatra amin’ny taranja maro
Mbola vitsy ny fikambanana na klioba mivelatra amin’ny taranja maro samihafa eto Madagasikara. Ny Est na Espoirs sportifs de Tuléar, tarihin’i Vital Serge anefa dia anisan’ny manana izay ekipa amin’ny taranja maromaro izay, toy ny basket-ball Club Est (BCEst), handball Club Est (HCEst). Misy ihany koa ny eo amin’ ny […]




