Mois : septembre 2025

Asan-dahalo : Lavon’ny bala Ikoba

Namoy ny ainy voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny atao hoe Ikoba, tao amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’Antsahabe, anatin’io fokontany Manampisoa, ireo dahalo miisa telo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Nitondra ny […]

Antsirabe: Milamina sy madio ary mora ny vidim-piainana

Betsaka amin’ireo faritra eto Mada­gasikara no manana ny mampiavaka azy. Anisan’ireo manana ny lazany manokana, indrindra amin’ny lafiny fahadiovana, An­tsira­be. Faritra iray mahasarika olona maro noho ny fahadiovany sy ny filaminany Antsirabe. Nisy ny fanadihadiana ifotony teny amin’ny tanàna an-dReni­vohitra Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Araka ny tazana eny an-toerana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy hajaina ny fe-potoana nifanarahana. Nanome toromarika ny orinasa Samcrete, manamboatra ny arabe migodana, Antananarivo-Toa­masina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Nohamafisiny fa mila hafainganina ny fanohizana ny asa. Tazonina sy tohizana ny traikefa tsara tamin’ny namitana ny 8 km teo. Mbola misy 80 km ny […]

Faritra Arovana : Naharesy lahatra i Madagasikara, tany Francfort

Atao any Francfort, Ale­maina, ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana. Mandray anjara amin’ izany ny delegasionina mala­gasy tarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), i Andonirina Max Fontaine. Nandritra ny fandraisany fitenenana no nanaovany adisisika ho fandresena lahatra ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpandray anjara. Navoitrany sy […]