Ny maha Malagasy ? Hafahafa tahaka ny vazaha manao salaka

Sary an-tsaina ihany, angamba, no handraisana ny vazaha misalaka fa ny tena nanatri-maso, mety mbola tsy nisy nahita. Mety ho fehezanteny taty aoriana hoentina hampihomehy fotsiny ihany koa io, fa raha ny vazaha, toa tsy ho resy lahatra hanao salaka izany. Fahitana tranga hafahafa be, sarotra inoana, mety hahavariana ny maso sy mahalasa ny eritreritra, izay no fonosin’ny : «Hafahafa tahaka ny vazaha manao salaka» ! Azo sintonina avy amin’io koa anefa ny hoe, tsy miraika amin’izay fomba mala­gasy ny vazaha. Ny Malagasy anefa, mikaroka mafy izay fomba hahatonga azy ho vazaha. Tsy mety miteny amin’ ny fiteny malagasy madiorano. Sahirana amin’ny fanarahina ny fomban-drazana. Miafina mafy raha hampi­asa raokandro sao tsarain’ny hafa ho «mpilalao tapakazo», sns !
Ampahany amin’ireo tranga maneho zavatra «hafahafa tahaka ny vazaha manao salaka» ireo, saingy tsy tsapa sy tsy hitan’ny Malagasy sasany ka tsy maharototra azy akory. Misy antony matoa manezaka sy manao izay tratry ny heriny mba hitovy amin’ ny vazaha ny ampahana Malagasy. Io tranga io no mila jerena akaiky. Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha. Mahatsiaro ho latsa-danja eto amin’ny taniny manoloana ny vazaha ve ny Malagasy ? Raha eny, «hafahafa tahaka ny vazaha manao salaka» izany tranga izany
ka tokony hijerem-bahaolana haingana.

Raiamandreny tsy mandray andraikitra

Tsy afa-bela amin’ny asa fanarenana ny lesoka ny rai­amandreny. Fa maninona, ohatra, no anaram-bazaha no omena ny zanaka na ny taranaka Malagasy ? Tsy efa endrika fanilikilihana ny maha Malagasy azy ve izany ? Firy sy iza amin’ny vazaha monina any an-tanindrazany no ma­nome an-janany anarana mala­gasy? Ohatra ihany ireo fa ny zava-dehibe, mila beazina amin’ny maha Malagasy azy ny taranaka malagasy. Mila fantany ny taniny, ny teniny, ny fombany, ny soatoaviny, ny finoany, ny hasiny, sns. Raha ireo no tsy fantany, ho lasan’ny vazaha ity tany ity.

Tsy ho tonga ho azy eo an-tanan’ny taranaka malagasy ireo fahalalana ireo fa tsy mila raiamandreny: mitahiry, mikajy, manolokolo, mampita, manitsy, mananatra, sns. Tsy mahavita ireo intsony, anefa, ny raiamandreny taty aoriana, hany ka lany amin’ny fotoana mitady ny very ny taranany. Amin’izao vanim-potoana izao, mangetaheta ny fiverenana any amin’ny fototra. Rehefa mba “mamonjy fety” ihany sisa vao mba afaka maneho ny maha Malagasy, saingy, tsikaritra ho fihetsika sy endrika ivelany fotsiny izany.

Na tsy mialangalana aza ireo raiamandreny. Toa tsy mahafantatra izay tokony hataony manoloana ny taranany. Indraindray (na mety ho matetika ihany koa), ilay heverina ho raiamandreny mihitsy no mitarika any amin’ny lalan-diso, noho ny fiheverana fa : “ilaina ny manaraka ny toetrandro sy ny zava-baovao hoentin’ny vanim-potoana”. Fady amin’ny Malagasy ny manao fitafy miboridandridana. Ka maninona ny ray aman-dreny no mitazam-
potsiny manoloana ny zanany manao izany ? Fihetsika maneho avy hatrany fa : “mankasitraka” ?

Vahaolana miainga avy amin’ny Malagasy ihany

Na faran’izay bitika aza, tsy misy fanarenana sy vaha­olana andrasana any amin’ny vahiny ny tranga tahaka itony. Ny Malagasy ihany no mila manarina ny lesoka. Goavana indrindra amin’izany ny fanabeazana sy ny fampianarana. Fanabeazana, io no fototra hamolavola ny olona iray mandra-maty. Ireo ray aman-dreny niteraka no miantsoroka izany voalohany. Manampy ny fiarahamonina avy eo. Ho an’ny soatoavina malagasy fahiny : “ny ray aman-dreny no niteraka fa ny zanaka iaraha-manana. Raha, sanatria ka lavo, iaraha-manarina. Rehefa tafita, mijery tanin-drazana”.

Fampianarana, sehatra tsy mandeha amin’ny laoniny izy io hatramin’izao. Miainga any amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Mila fanarenana goavana be amin’ny fandaharam-pianarana. Tokony hi­fanaraka amin’ny Malagasy sy i Madagasikara ny taranja ianarana. Mahavariana, zanaka Malagasy tsy mahalala akory an’i Madagasikara. Tsy mahay manoratra teny mala­gasy. Manana fomba fisainana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara.
Vokatry ny fahapotehan’ny fanabeazana sy ny fampianarana no niteraka ny fahapotehan’ity Nosy ity. Ratsy taiza ny taranaka malagasy. Noho izany, ny Malagasy ihany no mila manarina ny fitaizana eto aminy. Tsy ilana vazaha manao salaka ny fanitsiana ny toe-tsaina. Tsy ilana vazaha manao salaka ny fanitsiana ny fandaharam-pianarana. Tsy ilana vazaha manao salaka ny finiavana hampita ny fomba amam-panao, ny hitandrina ny fady sy ny soatoavina… Satria tsy hain’izy ireo na oviana na oviana izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: