TARATRY ny KANTO

« Talim-poezia », iarahana amin’ireo poetan’ny Tsanta. « Tiako sy andrianiko ny teniko sy ny taniko ». Sady lohahevitra izay no fanafohezana ny anarana nosafidian’ny fikambanana. Hanatontosa Antsa to­nonkalo ravahina hira izy ireo, ny alahady 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora , ao amin’ny efitrano fanaovana fetin’ny Sainte Famille Mahamasina. Poeta am-polony izy ireo no hanatontosa ny hetsika.

Fanandratana ny hira sy dihin’ny Ntaolo. Hatao eo ampovoan’Analakely mihitsy ny fotoana, ny sabotsy 22 aogositra izao. Hanomboka amin’ny diabe ara-kolontsaina izany, hiainga eny Ambohijatovo ary hihazo ny Lapan’ny tanàna. Hanehoana ny fitafy, ny dihy, ny endri-kolontsaina malagasy rehetra izany. Hito­hy amin’ny fampianarana ny hira sy dihy vakodrazana, arahin’ny fampisehoana hataon’ny tarika Loharano izany.

Tontosa omaly, ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Inde. Nahitana seho sy atrikasa maro samihafa izany, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Nahatsapana ny fifanaikaikezan’ny kolontsaina malagasy sy indianina, indrindra teo amin’ny mo­zika izany. Nizara ny talentany sy ny fahaiza-manaony tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Anac ireo mpanakanto indianina roa.

Partager sur: