Filohan’ny Bad : 105 miliara dolara hamoronana asa ho an’ny tanora

Tonga any Washington, ny 13 oktobra teo, ny filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), Sidi Ould Tah. Nivory niaraka tamin’ny Vaomiera fakan-kevitra, mahakasika ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Nodinihina manokana ny anjara vola ho an’i Afri­ka entina hampiroboroboana ny asa ho an’ny tanora. Nambaran’i Sidi Ould Tah fa vonona ny Bad hampiditra ao anatin’ny fandaharanasa ha­novana an’i Afrika ho fampiroboroboana ny asa sy ny tanora. «Tsy tokony ho vesatra ny tanora afrikanina. Satria hoavin’ny kaontinanta afrikanina. Tsy maintsy mampiasa vola isika, amin’ny fampiofanana sy ny fampidirana anaty sehatra ara-dalàna ny fihariana toekarena madinika sy ny orinasa madinika sy ny tena madinika ary ny salantsalany (MPME)», hoy izy.
Ho an’ny taona 2025, ni­fantoka ho an’ny fizahantany sy ny fanofanana arakasa ny Vaomieran’ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Ma­nan-karena amin’ny lafiny maro i Afrika, ary tsy ampy ny fiofanana, ka izay no antony nifantohana amin’ireo sehatra roa lehibe ireo. Misehatra amin’ny fizahantany ny afrikanina iray amin’ny 20. Vehivavy sy tanora ny ankamaroan’izy ireo. Saingy mivelona amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, ny 80% ny mpiasa afrikanina. Tsy manana fiahiana ara-tsosialy, tsy afaka miditra amin’ny sehatra ara-bola sady tsy misy antoka ho an’ny hoaviny izy ireo. Tsy mifanentana ny rafi-panabeazana sy ny fiofanana ary ny filan’ny tsena, ka voafetra ihany ny fahazoan’ny tanora asa mahavelona sy mamokatra.

Asa 19 tapitrisa
Notsipihin’ny filohan’ny Bad fa ho hafainganina ny famoronan’asa aty Afrika, amin’ny alalan’ny Paikady ho an’ny famoronana asa aty Afrika. Mitentina 105 miliara dolara ny famatsiam-bola, hamorona asa miisa 19 tapitrisa hatramin’ny faran’ny taona 2025. Nifampizarany teo anatrehan’ny Vaomiera fakan-kevitry ny Banky iraisam-pirenena, ny traikefa ataon’ny Bad, mahakasika ny fanohanana ny tanora, ny famoronan’asa, ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny asa ary ny fampidirana ny tanora anaty tetikasan’ny Bad.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: