Anisan’ny manan-karena hazandrano horita ny any amin’ny faritra Melaky. Notanterahina ny 8 oktobra teo, tany amin’ny Faritra arovana an-dranomasina (APM) Nosy Barrein, faritra Melaky, ny fanokafana ny tahiry tsy maharitra ny horita (Réserve tampirarires des poulpes) ho an’ ny taom-panjonoana 2025. Tany amin’ny tanànan’i Mangily, Dondosy, Nosilava, Abohazo ary Nosindrano, no nanatontosana izany. Nahatratra 1 682 kilao ny horita azo tany Mangily, vokatra be indrindra, raha toa ka 200 kilao ny tany Abohazo sy Nosindrano izay vokatra ambany indrindra. Nihena raha oharina tamin’ny taon-dasa ny vokatra, noho ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Nanotrona ity fanokafana ny tahiry tsy maharitra ity ny faritra Melaky, ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB), ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), ny kaominina Maintirano, ny fokontany Ampasimandoro ary ny solontenan’ny ONG Bleu Venture izay manome tantsoroka nanahafahana nanao ny asa rehetra.
Tanjona amin’ny famerana ny fotoana fanokafana ny tahiry tsy maharitra ny horita any Melaky, ny hampaharitra ny fitrandrahana ireo hazan-dranomasina sy an-dranomamy. Izay no mahatonga ny fanakatonana ny fitrandrahana mandritra ny fotoana voafetra araka ny lalàna mifehy ny jono izay miovaova isam-paritra.
Njaka A.




