TSELATRA

Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha fanompana sy fikasihan-tanana mpamily nataona lehilahy roa teny Manjakaray, ny herinandro lasa teo. Fandrahonana ho faty sy vono sy ratra no niampangana azy ireo. Nifona teo imason’ny mpitsara ireo voampanga. Honitra 2 tapitrisa no nangatahin’ny lasibatra. Hivoaka ny alatsinainy 27 oktobra izao ny didim-pitsarana. Nangataka sazy fananarana kosa ny mpisolovavan’ireo voampanga.
Namoy ny ainy, afakomaly, tao amin’ny CSB I Ambatomitsangana, Antafofo, Ampefy, ny ankizivavy 10 taona, taorian’ny fanolanana nahazo azy ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Namonjy fianakaviana narary mafy ireo ray aman-dreniny tamin’io fotoana io. Nidiran’ny lehilahy telo ny trano ary nandritra izany no nanolanan’izy ireo ity ankizy ity. Tsy tafahetsika intsony teo ambony fandriana izy no hitan’ny olona ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly ary izao nodimandry izao.
Nitrangana lozam-pifampoivoizana namoizan’aina tany Ambohitsara I, kaominina ambanivohitra Ambodilafa, distrikan’i Nosy Varika, omaly tolakandro. Nivarina tany amin’ny hantsana ny kamiao lehibe mpitatitra entana iray. Vokany, olona iray tao anaty fiara no fantatra fa maty tsy tra-drano. Olona roa hafa naratra mafy ary nentina nihazo ny hopitaly taorian’ny tranga.
Andian-jatovo miisa 19 avy amin’ny sekolim-panjakana tratran’ny polisy avy amin’ny kaomisaria foibe ao Ampasambazaha, Fianarantsoa, omaly. Miandahy miambavy ary 16 hatramin’ny 18 taona ny salan-taonan’izy ireo. Tratra teo am-pisotroana zava-pisotro misy alikaola tao ambadiky ny Espace Andry, Tsianolondroa, ireto mpianatra ireto.

Partager sur: