Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo (RN10), kaominina Sakamasay, omaly. Efatra naratra. Nivadika ny kamiao nitondra azy ireo ka nitarika ny loza.
Fiara roa nifandona teo Analakely vokatry ny tsy fanajan’ny mpamily ny lalàn’ny fifamoivoizana, afakomaly. Nidona ny lohan’ny fiara roa tonta rehefa nisisika niditra tamin’ny ankavian’ilay manana ny zo handeha mialoha ilay mpamily iray hafa. Simba ny lohan’ny fiara nentin’ity farany.
Trano lehibe iray kilan’ny afo tao amin’ny cité Canada, kaominina Toamasina, afakomaly alina. Nifamonjen’ny manodidina nofehezina ny afo saingy kila avokoa ny ankamaroan’ny entana tao amin’ny trano lasibatra.
Lehilahy 88 taona namoy ny ainy tampoka tao Ambositra Antampovinany, afakomaly. Nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny tranom-paty ny nofo mangatsiakan’io raim-pianakaviana io. Mponina avy ao amin’ny fokontany Antsahavita izy, araka ny loharanom-baovao.




