TSELATRA

Roa lahy voasaringotra tamin’ny halatra omby teny Ambohimanarina voasambotry ny polisy, ny 24 oktobra lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy ny omby tao an-toerana, ny 22 oktobra lasa teo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana anivon’ny boriborintany fahenina ny tompon’omby lasibatra.
Lehilahy nahatraran’ny polisim-pirenena nanao fisavana amin’ny alina zava-mahadomelina mahery vaika, tao Morondava, ny 24 oktobra teo. Nogiazana avy hatrany ny rongony teny aminy ary nentina natao famotorana izy.
Omby efatra tafaverin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tamin’ny tompony, tao amin’ny fokontany Andremby, distrikan’i Toliara II, ny 24 oktobra teo. Nentin’ny dahalo nandositra ireo omby ireo. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny polisy. Narian’ireo mpanao ratsy teny an-dalana ny omby ary vaky nandositra izy ireo.
Tafaverin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Brickaville amin’ny tompony ny moto nangalarin’ny olon-dratsy, ny faran’ny herinandro teo. Nalain’ny tsy mataho-tody tao amina orinasa iray io moto io ka nentiny nandositra. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandarimaria. Tratra ny mpanao ratsy.

Partager sur: